« SALON DE L'ETUDIANT » KARAKARAIN'NY CIDST

Etsy amin'ny JJ Rabearivelo, hanampiana ireo vao afaka baka


  • Zoma 05 Septambra 2025

Tanterahina etsy amin'ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely

haharitra 3 andro ilay Salon de l'étudiant karakarain'ny Ministeran'ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny CIDST na ny Centre d' information et de documentation scientifique et technique. Mampiavaka ity Salon ity ny fampahafantarana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea sy ny Ray aman-dReniny ireo sekoly ambony nahazo fankatoavana ara-dalana avy amin'ny Ministera tompon'andraikitra. Mampiranty sy mampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy avokoa ireto farany noho izany hanampiana ireo mpianatra mitady sekoly ambony azo antoka nanohizany ny fianarany. Mbola hitohy any Fianarantsoa sy Toamasina ny hetsika ato ho ato. Fantatra moa fa hisy ny fijoroana vavolombelona ho ataon'ny masoivoho Amerikana mikasika ny tombontsoa azon'ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana tao aminy. Hisy ihany koa ny fampahafantaran'ny Polisim-pirenena ireo mpitsidika momba ny asany manokana.
Pati
Légende : Tahaka izao ny ao amin'ny Salon !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT