« SALON DE L'ETUDIANT ET DE L'EMPLOI »FAHA-8

Ireo sekoly ambony ara-dalana ihany no afaka mandray anjara


  • Alarobia 27 Aogositra 2025

Tanterahina etsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina nanomboka omaly Talata 26 Aogositra

haharitra 03 andro ilay Salon de l'étudiant et de l'emploi andiany fahavalo, karakarain'ny Agence de communication Publica Mada. Miisa 102 ireo trano eva mandray anjara amin'izany ka ny 90 % dia sekoly ambony avokoa no sady ara-dalana, tsy atahorana hamitaka, raha araka ny fanazavan-dRabenaivo Falihery, mpikarakara. Ny 10 % kosa misehatra eo amin'ny tontolon'ny asa manampy ireo tanora efa manana diplaoma nefa tsy an'asa raha misy koa ny sekoly ambony miisa 8 natokana ho an'ireo Ray aman-dReny manam-paniriana handefa an-janany hanohy fianarana any ivelany. Tanjona amin'ny hetsika ny hahafahana manampy sy manohana ireo mpianatra vao afaka Bakalorea hahita ny sekoly manana ny lalam-piofanana tokony hoarahiny no sady hahatafita azy. Nambaran'ny mpikarakara moa fa efa nisy tamin'ireo mpianatra nametraka fahatokisana tamin'izy ireo no efa nahatsangana orinasa ankehitriny noho izany hitohy hatrany ny Salon isan-taona. Ho azy ireo mantsy dia tsy hatao fahazarana fotsiny ihany izany fa tsy maintsy misy tombontsoa ho an'ny tanora mpianatra Malagasy.
Pati
Légende : Rabenaivo Falihery, tale jeneralin' ny Agence de communication Publica Mada !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT