« SALON DE L'ETUDIANT ET DE L'EMPLO » FAHA-8

Tohanan'ny vondrona ONET, mbola mitohy anio


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Mbola mitohy anio Alakamisy 28 Aogositra ho an'ireo mpianatra vao

afa-panadinana Bakalorea tsy mbola tonga tetsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ilay Salon de l'étudiant et de l'emploi andiany faha-8 karakarain'ny Agence de communication Publika, tohanan'ny ONET Group. Sekoly ambony miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana mihoatra ny 90 isa no miara-mandray anjara amin'izany mampiranty ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy izay tsiahivina hatrany fa ara-dalana avokoa, tsy misy atahorana. Antony iray hanohanan'ny ONET Group ny hetsika izany hanohanana sy hanampiana ireo tanora Malagasy hahatratra ny tanjona kendreny dia ny ho tafita izany. Tena ilaina hatrany mantsy ny mianatra. Tsy mety ny mionona amin'ny fahaizana efa hananana. Ny fianarana rahateo no mahatafita. Tsiahivina moa fa mbola ho avy Antsirabe ny mpikarakara ny Salon ny datin'ny 01 sy ny 02 Septambra ho avy izao hanampiana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea. Tsy mijanona amin'ny fampahafantarana ireo sekoly sy ny lalam-piofanana misy ao aminy fotsiny izany fa hisy ihany ny toro-lalana omena ireo mpianatra mba tsy ho diso safidy izy ireo
. Pati
Légende : Mahavory olona marobe tahaka izao hatrany ny Salon !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT