Fampianarana

« Saint Jean Baptiste de la Salle » Imerinafovoany Nahazo famatsiam-bola avy any ivelany hanavaozana ny sekoly


  • Zoma 03 Novambra 2017

Sekoly iray nitsangana tamin’ny taona 1951 ny sekoly “Saint Jean Baptiste de la salle” etsy Imerinafovoany Talatamaty. Hatramin’izay 66 taona niforonany izay dia efitra tsy mbola nohavaozina mihitsy ny ilany avaratra atsinanan’ny sekoly.

 

 Raha ny hitanay teny an-toerana dia efa nanomboka lo sy boboka ny korodona sady mitete ihany koa ny valintafo, rehefa fahavaratra. Nahazo famatsiam-bola avy any ivelany anefa ity sekoly ity, tamin’ny volana aogositra teo, hanamboarana tanteraka  an’io ilany avaratra atsinanan’ny sekoly io. Somary nananosarotra ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra teo noho ny fanamboarana, hoy ireo tompon’andraikitra. Vokatry ny fanamboarana mantsy dia voatery narindra ny fotoana hianaran’ireo kilasy tsirairay, ao anatin’ny herinandro. « Hampiana efitra 8 hafa io faritra io ary tombananay amin’ity faran’ny volana ity, no ahavitana ny fanamboarana rehetra. », hoy ny talen-tsekoly, Pierre Rakotoarisoa. Nankasitraka ny tompon’andraikitra nahitana an’ity famatsiam-bola ity moa ny sekoly dia ny pretra miahy sy tompom-paritanin’ny distrika sy ny fiangonana NDA Imerinafovoany, Hajaniaina Olivier. Manao antso avo, ho an’ireo mpianatra nivoaka tamin’ity sekoly ity ihany koa izy ireo, mba hanome tanana amin’ny fanamboarana rehetra hatramin’ny tabilio. Marihina fa mpianatra 1200 isa no mandranto fianarana ao amin’ity taona ity. Tamin’ny taona 90 no nisy ny kilasy 3ème, raha tamin’ny taona 91 kosa no nisokatra ny “niveau III”.


Aina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT