SAHIRANA NY RAY AMAN-DRENIN’NY MPIANATRA

Mitady hirika amin’ny sekolim-panjakana ny ankamaroany


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Hilaharan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ny eny anivon’ny kaominina sy ny Fokontany amin’izao

amin’ny fampidirana mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana. Marobe ireo mpianatra teny anivon’ny sekoly tsy miankina no nalana ary hitadiavana lalana, eny fa na dia ireo tsy afaka 6eme sy 2nde aza. Raha araka ny fanadihadiana natao dia hatramin’ny nandrenesan’ny olom-pirenena rehetra fa tsy handoavam-bola intsony ny eny anivon’ny sekolim-panjakana manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2024-2025 ity no anton’izany ankoatra ny hasarotan’ny fiainana izay efa tena mihatra aman’aina. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina sefom-pokontany iray dia tsy hanavahana olona sahirana sy tsy sahirana intsony ireo tonga manontany sy misoratra anarana mba hisitraka io tsy fandoavam-bola io. Tsy misy manaiky ny olona raha ny nambarany fa milaza ho sahirana avokoa. Ho an’ny Ben’ny tanana iray indray dia nambarany fa izay azon’ny kaominina hatao no hataony. Tsy vao mantsy izy ireo no nilaza ho niaina izany fa efa nanomboka tamin’ny volana Jona no mankaty. Misy Ray aman-dRenin’ny mpianatra tonga mandondom-baravarana hatrany isan’andro ary manao an-dranomaso mihitsy ny sasany.
Pati
Legende : Ahiana hihena an-tsasa-manila mihitsy ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly amin’ity taom-pianarana vaovao ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT