Fampianarana

Sahiran-tsaina ireo sekoly tsy miankina Mihisatra ny fandoavana « écolage » volana septambra


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Efa manitsaka ny faha-21-n’ny volana septambra isika anio alarobia izany hoe : efa madiva hifarana ny volana.

Na izany aza anefa dia mbola betsaka amin’ireo Ray aman-dReny mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina no fantatra fa mbola tsy nahaloa ny saram-pianarana volana Septambra ihany. Velon-taraina ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina noho izany. Hatreto raha araka ny fanadihadiana natao dia vao ny 60%-n’ny mpianatra no nahaloa izany fa ny 40% mbola tsy nisy nahaloa avokoa. Mianatra hatrany anefa ireo ankizy mpianatra ireo hoy ny talen-tsekoly iray ka hany herin’izy ireo dia miandry ny fahafahan’ireo Ray aman-dReny. Tsy tokony hahatratra ny fahadimin’ny volana oktobra kosa anefa raha araka ny fanazavany, fotoana izay efa tokony handoavana ny saram-pianarana volana oktobra indray ny fanefana izany. Raha izany mantsy no misy hoy hatrany ity talen-tsekoly iray ity dia tsy maintsy hiditra amin’ny fampiantsoana ilay Ray aman-dReny ihany izy ireo. Na izany aza anefa dia samy mahatsapa ireo talen-tsekoly fa tena manam-piniana hampiana-janaka ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny eto amintsika na dia teo aza ny fahasahiranana. Misy tsy mandry andro tsy mandry alina mihitsy ny sasany mitady vola mba hampianarana ny zanany manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT