Fampianarana

Robotika-First Global Challenge Anisan’ireo 10 voalohany hiatrika famaranana ny Malagasy


  • Alakamisy 06 Oktobra 2022

Mamiratra hatrany ny ekipa Malagasy eo amin’ny tontolon’ny robotika, voasokajy ho isan’ny folo voalohany isika amin’ny fifaninanana FGC (First Global Challenge).

Hiatrika ny dingana famaranana hatao any Genève amin’ny herinandro ambony, ka hanolotra ny tetikasany momba ny ady amin'ny karbaona ny tanora Malagasy. Isan’ny mandrafitra ny fanamby lehibe ao anatin’ny fifaninanana ny NTE (New Technology Challenge), izay miombana amin’ny teknolojia vaovao, ka ny fikarohana sy fanolorana vahaolana maharitra ahafahana miady amin’ny entona karbona no isan’ny fanamby lehibe amin’ity. Soso-kevitra miisa 3 no naroson’ny tanora siantifika Malagasy : fikarohana mba hanoloana ny arina fandrehitra na «charbon de bois », famoronana robot afaka mamboly hazo ao anatin’ny iray minitra monja ary afaka manara-maso avy hatrany ny fivoaran’ny fambolena, ary ny fanananana fitaovana afaka mitahiry ny karbona ho azo havadika ho angovo azo ampiasaina. Nampitolagaga ny mpitsara ny fahatsaran’ny tetikasa natolotry ny tanora Malagasy, antony nahatafiditra antsika ho isan’ireo 10 voalohany hanao famaranana kamin’i Belize, Bosnie-Herzégovine, Canada, Grèce, Indonésie, Iran, Roumanie, Slovaquie ary i Zimbabwe. Hahazo tohana sy famatsiana avy amin’ny Fondation XPrize ny ekipa mpandresy. Tanora 5 mianadahy izay ahitana vehivavy 3 sy lehilahy 2 izay liana sy sangany amin’ny tontolon’ny informatika, simia, elektromekanika, matematika, robotika no mandrafitra ny ekipa Malagasy. Sangany ary mampiaiky an’izao tontolo izao hatrany i Madagasikara amin’ny sehatry ny informatika sy ny robotika, tsy vaovao amintsika ny First Global Challenge. Mirary hatrany ny ekipa Malagasy hahomby, ary mandrisika ny olom-pirenena tsy ankavaka amin’ny fanohanana izay miseho amin’ny endriny maro, raha tsy hilaza afatsy ilay «social media challenge» ahafahana manohana azy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT