Fampianarana

Resaka fanalana 3000 ariary anaty “bourse” Miantso fanadihadiana sy fampitsaharana izany ny SECES


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Aoka tsy ho potehina ny oniversite miankina amin’ny fanjakana na dia maniry toy ny anana azan y oniversite tsy miankina, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo,

ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina. Tsy ny zan-bahoaka sy zanaky ny sahirana, hoy izy, no afa-mianatra amin’ireny. Didim-pitondrana, efa nekena tany amin’ny filankevitry ny minisitra ve akana nomerao any amin’ny fiadidiana ny primatiora dia mandany efa ho 2 volana sy tapany nefa tsy ampy 10 minitra izany taloha dia efa nivoaka avy any amin’ny primatiora? Fampijaliana ve sa tsy fahaiza-mitantana? Maro ny fitakiana isan’ny tafiditra ao anatin’ireo teboka miisa 7 notakian’ny SECES tao nahatonga ny grevy ny taona 2019-2020 nandritry ny 5 volana ngarangidina. Nisy ny fifandresen-dahatra sy fanomezan-toky nataon’ny mpitondra ka sao adino fa miandry izahay. Henonay koa any izao fa misy vola mahatratra hatrany amin’ny 3000 ariary alaina amin’io “bourse” an’ny mpianatra efa kely io. Raha ny vidim-piainana ankehitriny anefa dia tokony in-droa miantaona amin’izao izany vatsim-pianaran’ny mpianatra izany. Diso ny fiheveran’ny minisitra teo aloha sasany fa tokony foanana io satria nisy taloha ny fanasokajiana ara-pedagojika sy ara-tsosialy ny mpianatra tokony hahazo izany. Misy sokajina mpianatra tena io mihitsy no mamita ny taom-pianarany fa izany minisitra teo aloha izany angamba zanak’olona manan-katao fony nianatra tety, hoy hatrany ny filohan’ny SECES Tana. Miantso fanadihadiana sy fampitsaharana izany fakana vola izany, raha mitombona tokoa izany resaka izany, ny SECES satria tsy rariny izany, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT