Fampianarana

Resaka fanafoanana ny CROUA Mangataka ny fitondram-panjakana hidina ifotony ireo mpiasa


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Maro ny tsaho miely fa ho foanana ny sampan-draharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo na CROUA,

hoy ny fampiantsoana fivoriana notontosain’ny sendikan’ny mpiasan’izy ireo tetsy Ankatso omaly. Antony handinihanay ny tokony atao manoloana izany izao, hoy izy ireo. Ny tena manahirana anay dia efa be dia be ny fanaratsiana ny CROUA any anaty tambazotran-tserasera any izay tena hitanay fa tsy mitombona raha antony handravana ilay CROUA. Porofoy aloha fa tena ny mpiasan’ny CROUA tokoa no manao ireo zavatra ratsy tanisaina ireo. Matoa foanana ny zavatra iray dia efa misy rafitra hafa afaka manolo azy. Tsy mahita rafitra manao ny asanay anefa izahay na ao amin’ny minisitera na ao amin’ny oniversite. Toy ny atao ankilabao anefa izahay izay miara-miosona amin’ny mpianatra ety raha tapaka ny jiro na rano na inona miseho ety. Tsy atonona akory izahay raha misy ny fanapahan-kevitra momba anay. Ho alefa aiza ireo mpiasa 230 eo raha ho foanana ny CROUA? Hanao ahoana indray ilay tombontsoa kely mba noraisiny teo? Raha ny resaka mandeha dia hoe misy sampana iray ao amin’ny oniversite afaka manao ny asanay nefa mbola izahay irery hatreto no manao ny asanay ary tena mahatsiaro ho irery satria tsy misy manampy anay. Ny andraikitry ny CROUA moa dia mitantana ireo fananan’ny oniversite toy ny trano, ny fandehanan’ny jiro sy rano, ny rafitra hikarakarana ny mpianatra rehetra. Mangataka ny fitondram-panjakana izahay, hoy hatrany izy ireo, mba hidina ifotony hamotopototra tsara ny zava-misy mialohan’ny hanapahan-kevitra sao voahosom-potaka fotsiny izahay.
J. Mirija
Legende: Ireo biraon’ny sendika omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT