Razafindrandriatsimaniry

Marie Dieudonné Michel


  • Talata 08 Septambra 2026

Tsy io «Série Bacc» io no tsy

mampahomby ny fanabeazana eto
Manokatra adihevitra ny fanavaozana entin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena mitarika amin'ny fanafoanana ny "série" A, C ary D amin'ny seha-pampianarana ankapobeny izay iadinan'ny mpianatra amin'ny bakalôrea, ka hanovana azy ho "série" L, S ary OSE (Organisation - Société - Économie). Maro ireo mpampianatra sy tompon'andraikitry ny sekoly resy lahatra ny tokony hirosoana amin'io fanovana io, tsy vitsy koa anefa ireo mihevitra fa tokony hialohavana fanofanana satria betsaka ny sekoly, indrindra ny tsy miankina no tsy mbola vonona amin'izany. Nanao fanamarihana Atoa Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel, Minisitry ny Fanabeazana ambaratonga faharoa sy ny fanabeazana fototra tamin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana momba an'io. "Isika moa zatra ny manarak’efa sy mangala-tahaka", hoy izy. Aminy dia "tsy io « Série Bacc » io no olana tsy mampahomby ny fanabeazana eto Madagasikara". Mandroso vahaolana izy, izay vinann'ny antoko politika Fitambolagnela IAD tarihiny rahateo fa "Mila sekoly mitodi-doha amin'ny fiainana isika eto Madagasikara hitondràna fahombiazana amin'ny fampandrosoana fa tsy diplaoma fotsiny". Aoka hazava, hoy Atoa Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel fa "tsy ampy intsony ny mamokatra olona manana diplaoma, fa ilaina ny manofana olona manana fahaiza-manao afaka mamokatra, afaka mamorona zava-baovao ary afaka manova an’i Madagasikara".
Jean D.
Atoa Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT