Fampianarana

Ravelotsoarana Solofo Hery Mihevitra ny hanangana Lycée ny ao Carion


  • Talata 28 Martsa 2017

Nambaran’ny ben’ny tanŕnan’i Carion, Atoa Ravelotsoarana Solofo Hery, ny sabotsy teo, tany an-toerana fa manana fahasahiranana ara-bola toy ireo ankabeazan’ny kaominina manerana ny nosy ankehitriny ny kaominina tantanany.

Miezaka manentana ny mponina ao aminy sy ireo zanaka am-pielezana izy rehefa misy raharaha hotontosaina ho fampandrosoana ny toerana. Toy izany, ohatra, no nahavitana lalana “Pavé” sy lalana natao tamin’ny asa tanamaro namakivaky  ny tanànan’i Carion. Manan-kevitra ny hanangana Lycée eny an-toerana ny kaominina fa mijaly loatra ary miala an-daharana mihitsy ny mpianatra te hanohy fianarana noho ny halavitan’i Manjakandriana sy Ambanitsena. Nambaran’ingahy ben’ny tanàna fa tamin’ny taona 2015 no nisy “Subvention” farany azony tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana ka kaominina 2 amin’ny 25 misy any an-toerana fotsiny no mba nisitraka izany ary anisan’ireo tsy nahazo ny kaominin’i Carion.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka BakalĂ´rea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT