Fampianarana

Ranomasimbe indianina “Ny oniversite eto Madagasikara no ratsy karakara indrindra”


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Miaro sy mitandrina ary mikatsaka fatratra ny firoboroboan’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ny Seces,

hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na Seces Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fampianarana. Ao koa ny fiarovana ny zon’ireo mpianatra sy ny fikarakarana ny hoavin’izy ireo, indrindra, ny fiarovana ny tanin’ny oniversite. Tsy azo sarahina ireo satria anaty ambaindain’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Ataon’ny Seces daholo noho izany ny hevitra rehetra hametrahana amin’ny toerany ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Mijery ny raharaham-pirenena, maneho hevitra momba izany, misintona lakolosy, manome sosonkevitra ny mpitondra ny Seces ahafahana mandray anjara biriky hampandrosoana ny firenena. Raha izay petrakevitra izay no hilazana ny Seces ho manao politika dia mety azo adika ho izay angamba! Afaka miteny izay tiany tenenina sy mety ho fandikany ny hetsiky ny Seces ny mpanara-baovao. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny tenany mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny hetsika ataon’ny Seces. Eo koa ny tontolon’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa amin’ny ankapobeny, indrindra, mpianatra. Tonga amin’ny fitenenana hoe izy mivady no miady dia ny ankizy no voaporiporitra io. Tadidio fa mampikorontana ny tetiandrom-piasan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra koa io. Na ny fiainam-pianakaviany aza mikorontana satria mba manana izany ho karakaraina koa ireo. Mbola hita ho ankilabao hatreto ny fipetraky ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara raha ampitahaina amin’ny any ivelany, raha tsy hilaza afa-tsy ny ato amin’ny ranomasimbe indianina fotsiny. Ny oniversite eto Madagasikara no lazaina fa ratsy karakara indrindra, raha atao ny fampitahana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT