Ramampy Zénaïde Lechat

«Iriako mba alefa any Taolagnaro ny minisitry ny fampianarana»


  • Talata 05 Martsa 2024

Miha miakatra ny fampiakarana ny vehivavy amina toerana

fanapahan-kevitra, hoy ny solombavambahoaka sady minisitra teo aloha, Ramampy Zénaïde Lechat. Isaky ny 8 martsa, hoy izy, dia mitety faritany ny mpitondra. Ny faniriako dia mba ohatra hoe any Toamasina ny vadin’ny filoham-pirenena. Andefasana vehivavy tomponandraikitra isaky ny faritra. Azo alefa any Mahajanga, ohatra, ny minisitry ny mponina satria izy avy any Amoron’Imania ka tsy mety raha tonga dia alefa any indray. Ny minisitry ny raharaham-bahiny azo alefa any Antsiranana. Dia toy izany hatrany mba tsy hahatsiaro ho kamboty ny vehivavy. Tsy resaka fahatongavana na «présence» fotsiny io fa mba misy dinidinika ifanakalozana. Iny fiaraha-mikorana sy midinika iny mba tokony hanome hevitra bebe kokoa ilay vehivavy minisitra hanatsarany ny praogramany mikasika ny vehivavy. Ny minisitry ny fampianarana izao iriako mba alefa any Taolagnaro any satria any mbola misy mpianatra mianatra ambany kily na «voamadilo» fa tsy manana trano. Misy sekoly tsy misy fafana sy dabilio. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fitondrana ankehitriny ny resaka firaisankinan’ny vehivavy. Misy toerana, saika manerana an’i Madagasikara, ahitana vehivavy miofana manao lakozia na fambolena dia miaraka eo ireo. Mandritr’ireny fiofanana omena azy ireny dia tokony efa ho tezaina amin’izany ireo. Hisy firaisankina sy fiaraha-miasa avy eo hanangana orinasa fa tsy hoe samy mandeha samy mitady. Betsaka ny vehivavy te hilatsaka ho fidiana ben’ny tanàna na depiote izao fa ny enti-manana no olana. Niaraka ny fifidianana depiote sy filoham-pirenena tamin’ny 2013. 41 no isan’ny nilatsaka ho filoham-pirenena. 200 mahery no vehivavy te hilatsaka depiote. Misy amin’ireo vehivavy ireo tsy manana ilay ho atao anto-bola. Misy tsy manana antoko koa. Ny manana antoko moa dia miaraka amin’ilay hilatsaka filoham-pirenena. Nantsoinay ireo vehivavy miisa 209 ireo dia nampifanatrehana, nazavaina hoe ireto kandida vehivavy, mba makà ianareo amin’ireo ho atao kandidan’ny antokonareo! Maninona raha mifanohana? Nanaiky! Raha 10 fotsiny taloha ny depiote vehivavy dia lasa 32 ny taona 2013. Mbola betsaka noho ilay 200 izao ny vehivavy te hilatsaka depiote. Renim-pianakaviana ny vehivavy. Iza no mahalala kokoa ny maha ory ny vahoaka raha tsy ny vehivavy? Izaho tamin’ny ben’ny tanàna tao Ambalavao tsy niandry baiko tamin’ny fitondrana ambony izany fa rehefa nahita ny fahasahiranam-bahoaka dia nandahatra ny laharam-pahamehana tokony ho vahana rehetra. Nanao sekoly miisa 6 aho satria misy ankizy mandeha lavitra be mianatra. 157 no isan’ny ankizy matin’ny fivalanana anatin’ny 6 volana noho ny loton’ny rano. Raha vehivavy no lasa filoham-pirenena, amin’ny maha renim-pianakaviana azy, ny zanany ao an-trano vao hitan’ny malazolazo tonga dia karakarainy. Toy izany koa izy rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Ohatran’ny mitantana tokantrano ny mitantana kaominina. Mbola tsy ampy ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fitondrana raharaham-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT