Fampianarana

Raharaha tsy fanajana sainam-pirenena Nahazo rariny ny Minisiteran’ny fanabeazana


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Namoaka fampahafantarana ofisialy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle omaly mikasika ny raharaha Alakamisy Itenina

fa nahazo rariny teo anivon’ny Filanveki-panjakana ireo mpampianatra sy mpanabe. “Nolavin’ny Fitsarana mahefa araka izany ny fangatahana fampiatoana ny sazy nahazo ireo mpianatra tsy nanaja ny fitsipika mifehy ny Sekolim-panjakana mahakasika ny fanajana ny hiram-pirenena. Nivoaka amin’ny anaran’ny Vahoaka malagasy ny didim-pitsarana. Amin’ny anaran’ireo mpampianatra sy mpanabe no isaorana ny Fitsarana malagasy. Zava-dehibe tokoa izao didy izao satria fanomezan-kasina ny Fanabeazana sy ny Tanindrazana”, hoy ity Minisitra ity. Raha hiverenana dia nanapa-kevitra ny hampiato ireo mpianatra avy amin’ny Fiangonana zandriny “Témoin de Jehovah” ny mpampianatra noho ny tsy faneken’ny mpianatra 5 mirahavavy avy amin’ny Lisea sy CEG tsy hihira ny hitram-pirenena sy tsy hanaja ny sainam-pirenena. Nampiakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana, nahatonga ny fitsarana nampiato ilay fampiatoana ireo mpianatra ary nitaky onitra 3 tapitrisa Ar tamin’ny Provisera. Nampiakatra tany amin’ny Filankevi-panjakana anefa ny Minisiteran’ny fanabeazana, ka io nandresy io. “Isaorana ny ekipan’ny “Direction des affaires juridiques”-n’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo izay nanampy ny mpampianatra amin’izao raharaha izao, hoy ny Minisitra. Nomarihiny fa mbola tsy mety manao sonia ny karinem-pifandraisana ireo Ray aman-dReny voakasika amin’izany, ka nirarian’ity minisitra ity ireo mpianatra mba hahita mba ahita ny Marina. “Na mafy aza ny lalana, na mafy aza ny fitsipika dia tsy maintsy arahina. Izay ny maha olom-banona antsika”, hoy Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT