Fampianarana

Raharaha laza adina sandoka Misy mpampianatra manambana hitokona any Antalaha


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Nanao fanambarana ireo mpampianatra ao amin'ny Lycée Horace Antalaha fa hitsahatra amin'ny asany izy ireo ary tsy hisy fandraisana fisoratana anaran’ny mpianatra manomboka anio alatsinainy manerana ny Cisco Antalaha.

 

 

Mitaky ny mangaraharaha ny amin’ny nampidirana am-ponja mpampianatra Histo-géo iray sy mpianatra telo lahy tokony niatrika fanadinana bakalorea, nahiahiana no nanaparitaka laza adina sandoka tamin’ny tambazotra facebook koa izy ireo. Tsy hitanay izay heloka vitan'ilay mpanabe sy ireo mpianatra nidoboko am-ponja vonjimaika ao Antalaha ny 17 oktobra teo ka mitaky ny hamoahana azy ireo, hoy ny fanambarana. Nanao fivoriana mihidy trano tao amin’ny Lycée Horace François – Antalaha ireo mpampianatra, ny mpianatra sy ny Ray aman-dreny ny sabotsy teo. Nanamafy ireo mpampianatra fa « exercice » natao tao amin’ny lycée tamin'ny 10 oktobra fa tsy laza adina bakalôrea 2020 akory, ary fanaon'ireo mpianatra ny mifampizara « exercice » amin'ireo namany tsy tonga miatrika fanazarana, ary izany no namoronan’ny mpianatra ny groupe privé « Tsikely Antalaha » amin’ny facebook hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy ireo mpiara-miasa amin’ilay mpampianatra sy ny mpiara-mianatra, fa tsy nahitana zavatra mampiahiahy nandritra ny fisavana ny tranon’ireo voarohirohy ny 16 oktobra, ka manahy izy ireo sao ambadika politika ity raharaha ity. Ny alatsinainy 02 novambra 2020 ho avy izao moa no hiakatra fitsarana ity raharaha ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT