Fampianarana

Rafi-pampianarana eto Madagasikara Tokony hovana hifanaraka amin’ny fivoarana, hoy Ratrema William


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Mitombo isa hatrany ireo tanora nahavita fianarana eto amintsika saingy tsy mahita asa. Ilana fampiharana paikady hafa mihitsy ny fijerena manokana ireny tanorantsika ireny, hoy Ratrema Willliam, lehiben’ny vondrom-panabeazana Aceem omaly.

 

 

 Tokony hovana hifanaraka amin’ny fivoarana misy ankehitriny ny rafi-pampianarana eto amintsika, hoy izy, indrindra fa amin’izao firoboroboan’ny teknolojia izao. Vao any amin’ny sekoly ambaratonga fototra ny mpianatra iray, hoy Ratrema William dia efa mila  beazina sy hampianarina hahay hampiasa ireo akora fototra misy ao amin’ny faritra misy azy hahafahany miroso eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ho an’ireo tsy lasa alavitra. Ho an’ireo mbola afaka manohy fianarana eny amin’ny anjerimanontolo kosa dia tokony hojeren’ny fanjakana tsara ireo sekoly omena ny “habilitation” hahafahan’ireo mpianatra mahita asa soa aman-tsara aorian’ny fianarana izay norantoviny. Nomarihiny manokana fa ny lalam-piofanana lalàna sy fitantanana no tena mahaliana ny tanora eto amintsika ankehitriny noho izy ireo miroborobo sy mahazo vahana hatrany. Anisan’ny mandray anjara amin’ilay “Salon des etudes” tanterahina etsy Mahamasina izy ireo nanomboka omaly sady mpanohana ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT