Fampianarana

Rafi-pampianarana eto Madagasikara Rahoviana ilay « tena izy » ?


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Mitana ny sain’ny maro ilay fanatsarana ny fampianarana. Ny tetipivoaran’ny fanabeazana (PSE) norafetina sy efa nankatoavin’ny mpamatsy vola ny hanatanterahana azy.

 

Tsy tohizina indray ilay efa natomboky ny fitondrana teo aloha ao amin’ny PSE, ilay fikisahana miandakana amin’ny fanombohana ny taom-pianarana amin’ny volana martsa fa miverina miditra mianatra amin’ny volana oktobra indray ny mpianatra ary tsy foanana ny CEPE. Sanatria ve tsy matotra izay dingana efa vita tany aloha ? Araka ny nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian, isika eto Madagasikara dia tsy maintsy mijery ny zavatra tontolo misy eto amintsika kanefa ny fampianarana eto amintsika dia mifandray amin’ny fotoam-pampianarana any ivelany. Mahatsapa ny rehetra, hoy izy, fa tsy mety io tetiandrom-pampianarana io. Reraka ny ankizy noho io fanapahan-kevitry io ka Tsy maintsy ovana sy hahitsy. Hatramin’izay, tsy nahitana olana firy mahakasika ny tetiandrom-pampianarana teo aloha, hoy ny praiminisitra. Mizara ny hevitra raha ny marina. Ny « éducation fondamentale de neuf ans » na ny sekoly fanabeazana fototra sivy taona no voafaritra ao anatin’ny PSE. Midika izany fa zaraina telo ireo ambaratongam-pampianarana ireo ka 5 taona ho an’ny ambaratonga voalohany ary 4 taona kosa ho an’ny  CEG. Izay rehetra izay dia niteraka tsy fitoviana ara-kevitra satria ao ambadik’io dia tsy tokony hisy intsony CEPE, hoy i Ntsay Christian. Zavatra nisy ary noraisina daholo ny hevtry ny besinimaro fa isika tsy maintsy miroso ka tsy maintsy namerenana amin’ny « cycle » teo aloha amin’ny fidirana amin ny taom-pampianarana amin’ity taona ity. Ahoana ary no ahitana vokatra amin’ny fanavaozana ny rafi-pampianarana raha mandroso mihemotra ny fanapahan-kevitra raisina. Rahoviana vao tena izy ny rafi-pampianarana eto amintsika fa toa andrakandrana izay atao ho fanatsaràna ny kalitaon’ny fampianarana ?

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT