Fampianarana

Prof Jonah Ratsimbazafy “Mba henoy ihany ny mpikaroka”


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

« Ny Filoha Paul Kagame tena mihaino ireo siantifika ao aminy eo amin’ny fitantanana ny fireneny... Vao nanomboka mihitsy ny coronavirus dia anisan'ny nanakatona haingana ny fizahantany tany Rwanda ny Filoha Kagame.

 Anisan'ny miriborobo ny fizahantany any noho ny fisian'ireo Gorille de Montagne », hoy ny fanehoan-kevitr’i ny Prof Jonah Ratsimbazafy tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nitondra fanazavana ara-tsiantifika izy ka naneho, fa amin'ny maha primates ireo Gorille ireo dia tsy mifanalavitra amin’ny olombelona ny tahiri-tazazon'izy ireo (chromosomes). Ohatra: ny an'ny Bonobo sy ny olombelona dia kely fotsiny no mampiavak'azy, hoy izy. Noho izany dia mora mifamindra aretina ny « primates humains » (olombelona) sy ny « primates non-humains » (singes, lémuriens). Anisan'izany ny Ebola, Sida, Tuberculose,…. Ny 70% aretin'olombelona, hoy izy, dia azony avy tamin’ny biby daholo (zoonose). Fantry ny Filoha Kagame tsara fa vita ny fizahantany malaza any Rwanda raha voan'ny coronavirus ny Gorille ka aleony narovana tamin’ny fanakatonana malaky ny fizahantany izany. Teto amintsika dia efa antsoantso be toa inona vao nasiana fihaonana momba ny hiarovana ny varika satria raha sanatria ka mety ho tratry ny coronavirus ny lémuriens dia vita koa ny fizahantany teto. Ny zavatra toy izany no tokony mba hiainoana ny mpikaroka fa tsy hoe ny olombelona aloha no jerena fa miandry ny varika, kanefa ilay lémuriens sy olombelona efa mifandray eto, hoy izy izay naneho fa anisan'ny miteny eto Madagasikara satria misy tompon'andraikitra any ambony mihitsy no tsy manome lanja loatra ny mpikaroka eto Madagasikara. Mankalaza ny faha 60 taona nisiany izao ny Fakiolte siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ka heverina fa mba hohenoina amin’izay izy ireo, hoy ny Prof Jonah Ratsimbazafy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT