Fampianarana

PRIMA BABY Hanampy ireo ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanany


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Fito taona nijoroana ankehitriny ny Prima Baby miaraka amin’ny Madajeune.

Fito taona nanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny ankizy vao teraka ka hatramin’ny enin-taona ihany koa, hetsika izay mbola hitohy hatrany raha ny fanazavan-dRajaonah Haingo, tompon’andraikitra voalohany ao aminy. Navoaka tamim-pomba ofisialy omaly indray mantsy ny “guide Prima baby” andiany fahavalo izay ahitana karazan-javatra maro tokoa, toy ny lisitr’ireo crèche afaka mandray ireo ankizy madinika eto an-drenivohitra,  ny torohevitra hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny menaky ny ainy, ny fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny sekoly ho an’ny ray aman-dreny … Manomboka vao teraka ka hatramin’ny fahenin-taona ny zaza ny famolavolana azy ireny  ho olom-banona izay tena hiankinan’ny hoavin’ny firenena tokoa. Nampahafantarina omaly ihany koa i Ny Avo sy Miantsakely ilay zazavavy kely roa nibata ny amboara tamin’ny concours photo 2017 nokarakarain’ny Prima baby.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT