Fampianarana

Prescolaire ao Andohatapenaka II Tsy manana trano hianarana fa nandray traboina ny biraom-pokontany


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Miisa 110, ireo ankizy eo anelanelan’ny telo ka hatramin’ny dimy taona, manovo fahalalana eo anivon’ny “prescolaire” ao amin’ny fokontany Andohatapenaka II.

Nanomboka tamin’ity taom-pianarana 2017-2018 ity dia ao amin’ny trano famakiam-boky mifanila amin’ny EPP izy ireo no mianatra, raha tao amin’ny biraom-pokontany teo aloha. Tsy maintsy nandray ireo traboina teny an-toerana, noho ny fiakaran’ny rano io biraom-pokontany io, ka voatery mihafy amin’ny efitrano iray, izay sarahin’ny talantalana feno boky izy 110 mianadahy ireo. Tsy nahazaka ny nahita izany ireo mpianatra enina mianadahy mivondrona ao anatin’ny vondrona TIA, taona faharoa, manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambony INSCAE etsy 67 ha, ka tonga nanolo-tanana azy ireo. Nanadio sy nanosotra savoka ary nanolo ny ridao rehetra tao amin’io tranom-boky io izy ireo, afak’omaly alakamisy maraina. Nanome ody am-bavafo, nampiala voly ary nanolotra karazana kojakoja ilaina amin’ny fampisakafoanana antoandro an’ireo ankizy any am-pianarana ihany koa ny folakandro. Ankoatra izay dia  nomarihin-dRakotondrasata Kanto, lehiben’ny  vondrona TIA, fa efa nahazoany efitrano roa vaovao ao amin’ny EPP Andohatapenaka II izy 110 mianadahy ireto. Ny fahavitan’ireo dabilio sy seza  nampanamboarin’izy enina mianadahy mpikambana sisa no andrasana. Efa an-dalam-pivadihana ho fikambanana moa ny vondrona ato ho ato

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT