Fampianarana

Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Misy sahala amin’ny miteny zavatra tsy azo tanterahana eto”


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Lasa ankilabao sy noheverina ho tsinontsinona ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara tsiansa satria raha misy minisitera mahazo 1000 isa no mihoatra tamin’ny “poste Budgétaire” ,ny an’ny mpampianatra

mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra kosa miaraka amin’ireo mpandraharaha izao ao anatin’ny MESUPRES dia tsy misy afa-tsy 200 monja, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. 3000 be izao ny filana ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra matihanina manam-pahaizana amin’izany, hoy izy. Mahafehy ny diploma ilaina fa tsy hoe akory “ingénieur agronome” hafarana avy any andafy satria tsy tafiditra ao anatin’ny “critère” akory izany raha mijery ny lalàna mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Tonga amin’ny tenin-jatovo hoe mampihomehy ilay izy satria izao ny zava-misy raha hanafatra mpampianatra iray ianao “coopérant” hampianatra aty Madagasikara dia karamana “fonctionnaire” vahiny no anakaramana an’ireny olona ireny. Raha ampitahaina anefa dia efa mahavita karaman’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra firy izany raha toa ka misy ny fahavononana . Misy ny olona sahala amin’ny hoe miteny zavatra tsy azo tanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena. Raha manam-bola ariary 100 ve ianao tokony handoa 20 dia tsy alohanao ilay 20 fa aleonao mandany ariary 100. Dia mitombina ve Izany ? Tsy mitombina izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT