Pr Raoelina Andriambololona

«Potika sa potehina ny sehatry ny fampianarana?»


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Ilaina atao laharam-pahamehana ny fampianarana raha tiana ny handroso, hoy ny Pr Raoelina Andriambololona,

mpampianatra mpikaroka, nampianatra teny amin’ny Oniversite an’Antananarivo nanomboka ny taona 1968. Ny fikarohana momba ny fizika nokleary moa no tena nampalaza ity manam-pahaizana ity nanerana izao tontolo izao, raha tsiahivina. Isan’ny nanorina ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES izy ny taona 1970. Nanorina ny «Institut national des sciences et technique nucleaire» na ivon-toerana nasionaly momba ny siansa sy tekinika nokleary teto Madagasikara tamin’ny fitondrana Philbert Tsiranana. Ankehitriny izy dia «Maitre de conférence» sy «Professeur titulaire» voasokajy ho ela nietezana indrindra ary amin’ny laharana ambony indrindra amin’ireo Profesora eto Madagasikara. Potika sa potehina ny sehatry ny fampianarana mba hanabadoana ny zanaka malagasy, hoy ny fanontaniana apetrany?

Isan’ny nanaovany tsindrim-peo fa ny tsy fanomezana hasiny ireo mpampianatra sy mpikaroka, izay raha nisy ny nisafidy nandeha niampita ranomasina noho ny antony manokana dia nomena tsiny, ka mba inona ary no natao an’ireo nijanona ? hoy hatrany ny Pr Raoelina Andriambololona.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT