Fampianarana

Pr Jonah Ratsimbazamby Notolorana “Honoris Causa”


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,

omaly 16 aogositra 2023 teny amin’ny Fakiliten’ny Siansa, Oniversiten’Antananarivo. Fankasitrahana lehibe nomen’ny Oniversiten’Antananarivo azy noho ny asa sy fikarohana maro nataony momba ny zava-manan’aina, indrindra fa varika, izay isan’ireo harena tsy manam-paharoa, tsy misy afa-tsy eto Madagasikara io. Naneho moa io mpikaroka malaza izay tsy eto ihany fa hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena io, fa tena ao anatin’ny ady ny olon’ny siansa rehetra amin’izao eo anatrehan’ny tsy firaharahiana sy tsy fandraisana andraikitra, izay loharanon’ny fahantrana sy ny fijaliana. Nahafahany nizara ireo zavatra nolalovany sy nosedrainy teo amin’ny asany ihany koa io fotoana io, izay tsy mora ny làlana nahatongavana tamin’ny vokatra samihafa. Tsara no mampahatsiahy, fa efa nahazo ny loka sy fankasitrahana goavana momba ny fahavitana fikarohana eo amin’ny tontolon’ny varika ka nibata ny “African Primatological Society Lifetime Achievement” I Pr Jonah Ratsimbazafy ny taona 2019, izay nahitany ny karazana varika na ragidro madinika kely Microcebus Jonahi, izay nalaina tamin’ny anarany. Tsara no manamarika fa izy no Filohan’ny GERP (Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagsacar) ; Filoha lefitry ny Primate Spécialist Groupe Section Madagascar ; Filoha lefitry ny IUCN SSC Faune de Madagascar-Directeur de Huston Zoo, Programme Madagascar ; mpikamban’ny AAS (African Academic of Sciences); ao anatin’ny TWAS (African Academic of Sciences); Filohan’ny IPS (International Primatological Society),…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT