Fampianarana

Polyteknika Vontovorona Nihamafy ny fifandonana omaly


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Nitohy ary nihamafy ny hetsiky ny mpianatra teny amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Vontovorona omaly,

 

 ary naharitra adin’ny 6 teo ho eo ny fifandonana. Zandary roa no voalaza fa naratra tamin’ireo am-polony lasibatra tamin’ny fifanandrinana. Naneho tsy fahafaham-po tamin’ny valin-tenin’ny manam-pahefana mikasika ny famahana ny olana ny mpianatra. Tamin’ny 8ora maraina dia efa raikitra ny fifamondronana, nifanindran-dàlana tamin’ny fifampiresahana tsy nahomby. Nidina an-dalambe indray, nanao sakan-dàlana tamin’ny vato, nandrehitra kodiarana. Tonga teny amin’ny 1km nisy ireo mpitandro ny filaminana mihitsy ireo mpianatra, ka nafana indray ny fifampitorahana vato sy lakromozenina. Niditra tany amin’ny faritry ny sekoly avy sekoly izy ireo, teo nanamafy ny tora-bato ka naharatran’ireo zandary. Manitrikitrika ny mpianatra fa ny volana nitsahina no nandraisana ny vatsim-pianarana hatramin’izay, ka mitaky ny 4 volana izy ireo. Ohatry ny tranon-kisoa ihany koa ny trano ao anatin’ny Campus, hoy izy ireo,… Tamin’ny 3ora tolakandro no niverina ireo iraka nandeha nihaona tamin’ny Minisitera. Tsy nahafa-po anefa ny valiny avy any, ka dia niverina nihamafy ny tora-bato. Tamin’ny 4ora sy sasany tolakandro mbola nifanjevo ny mpitandro filaminana sy ny mpianatra. Mbola vao atao ny fampidirana anaty solosaina ny mpianatra ny Minisitera, izay tafiditra anatin’ny fanadiovana, raha ny fanazavana ho an’ny ankilany. Miantso ny hananganana “task force” ahitana ny solontenan’ny mpianatra ny manam-pahefana, ary manome toky amin’ny tsy hisian’ny fahataran’ny vatsim-pianarana aorian’ny fahavitan’ny fanadiovana ny lisitra. Hatreto, mbola mihenjan-droa izany ny tady, tsy mety milamina ny toe-draharaha.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT