Fampianarana

Polytech Vontovorona Ady saritaka tanteraka


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Tao anatin’ny 3 andro nisesy nanomboka ny alatsinainy lasa teo no nisian’ny fitokonana teny amin’ny sekoly ambony Politeknika eny Votovorona. Antony ny faharatsian’ny trano fonenan’izy ireo tsy misy fanamboarana sy fanavaozana kanefa nakarina ho 18.000Ar raha toa ka 7.000Ar.

 

 Takian’izy ireo ny fanamboarana ny toeram-pampianarana, ny trano fonenana, ny toeram-pidiovana sy fanaovana maloto, “connexion internet” ampy ho an'ny mpianatra rehetra satria lazaina ho Système LMD. Eo ihany koa ny fampiakarana 100% ny vatsim-pianarana satria ambaran’izy ireo fa ny saran-dalana aza hiakatra ho 800 Ariary. Takian’izy ireo ihany koa anefa ny fidinan’io saran-dalana io, ka asa izay mety hiseho amin’ny fotoana tena hiakarany, izay voafaritra fa manomboka amin’ny 10 martsa. Fandravana ny hetsika tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso aloha ny setrin’ny fitakiana hatreto, ary niha nangotraka ny fifandonana. Nidina an-dalambe sy nanakan-dalana rahateo ireo mpianatra. Nifamaliana ny tora-bato teo amin’ny mpianatra an-daniny, ary ny baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny mpitandro ny filaminana an-kilany. Mpianatra miisa 4 no naratra ary nisy ny naratra maso voa tamin’ny faritry ny lohany, ary tena nandriaka ny ra. Mety voatifitry ny bala fingotra ny mason’ny iray izay vaky ra. Nanda anefa ny zandarimariam-pirenena, izay nilaza fa baomba mandatsa-dranomaso ihany no nampiasaina. Hatramin’ny nanombohan’ny fitokonana dia voalaza fa nisy mpianatra 3 voasambotra efa tany aloha, ary nisy iray ihany koa omaly. Tsy fantatra mazava na efa navotsotra ireo hatreto.

Gaboraraka ny tranon’ny mpianatra

Raha ny vesatra zakain’ny mpianatry ny anjerimanontolo dia manana tombondahiny ireo mpianatra mipetraka amin’ireny “cité” ireny. Misitraka trano fonenana, herinaratra, rano,… maimaimpoana, fa ny hafa kosa manofa trano isam-bolana, mandoa vidin-jiro,… Maro ny endrika kolikoly sy bizina amin’ny fipetrahana amin’ireny noho ny gaboraraka. Ny eny Vontovorona toa moramora tantanina ihany ny tranon’ny mpianatra satria izay mahavita fianarana tonga dia miala amin'ny trano. Ny eny Ankatso sy Ambohipo, dia olona efa tsy mianatra intsony sy efa manambady aman-janaka aza mbola hita eny. Misitraka ny tombontsoa samihafa toy ny jiro sy rano izay vesatra ho an’ny fanjakana, kanefa tena tsy misy tamberin’andraikitra ho an’ny fanjakana. Efa nilaza hanao fanadiovana ny fanjakana teo aloha tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony, saingy tsy hita izay teo. Mila diovina tanteraka, raha tena sahy sy manana finiavana ny mpitondra.

 

Hanao fanambarana ka hampiantso mpanao gazety eny anoloan'ny amin’ny esplanade –Oniversiten’Antananarivo ny mpianatr'i Vontovorona anio amin'ny 9 ora maraina. Voahidy eny Betongolo mantsy ny filohan'ny Fikambanan'ny mpianatra.

Toky R

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT