Fampianarana

PoliteknikaVontovorona MD ny filohan’ny mpianatra, anio ny fitsarana


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka ny sabotsy lasa teo Randriamampiavana Donald filohan’ny Fikambanan’ny Mpianatra Politeknika Antananarivo (FMPA).

 Raha hiverenana ny tantara, ny talata 26 febroary teo nafampafana ny hetsika teny Vontovorona no nisy mpianatra miisa 3 voasambotra. Nanatitra sakafo ho an’ireo namany sy saika hifampiraharaha amin’ny hamoahana azy ireo ity filohan’ny mpianatra ity no tonga dia nobedaina tsy navela nandeha intsony, raha ny fanazavana efa nataon’ireo namany. Notazonina teny Betongolo, nafindra teny Ankadilalana izy ireo, ka navotsotra nomena fahafahana vonjimaika ireo 3 fa naiditra am-ponja miandry ny fitsarana azy sy ireo namany kosa ity filohan’ny mpianatra ity. Anio tolakandro no hanatanterahana ny fitsarana azy 4 mirahalahy raha tsy misy ny fiovana. Mafampana ny toe-draharaha. Raha ny loharanom-baovao, hisy anio maraina ny fivoriana lehibe hiarahan’ny solontenan’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny handinihana ny zava-misy eny Vontovorona. Nisy ihany koa ny loharanom-baovao nilaza omaly fa nosamborina ny Filohan’ny mpianatra lalam-piofanana BTP. Ny kalitaon’ny trano fonenana eny Vontovorona no nampitroatra ny mpianatra satria sahaza ho an’ny olona 1000 no terena hidiran’ny mpianatra 3000. Tsy tena nisy vahaolana mifandraika amin’io aloha ny voalazan’ny filankevitry ny minisitra ny 27 febroary lasa teo. Nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony kosa fa miato ny fampiakarana 40 % ny saram-pisoratana anarana. Mbola dinihana eny anivon’ny “conseil d’administration” eo anivon’ny CROU-A ny fandaminana ny fizarana ny trano sy ny fampiakarana ny hofan-trano. Miandry ny ho tohin’ny raharaha izany isika izao dia ny fotoam-pitsarana anio, izay inoana fa misy ireo mpianatra no ho avy etsy Anosy hanotrona ireo namany. Tena tsy maintsy nirosoana ve ny fampidirana am-ponja vonjimaika ? Ho fampitandremana ny rehetra fa fonja no miandry vao mianankendry manao fitakiana mahery vaika ? Rehefa mitaky am-pilaminana dia arirarira toy ny firaka atakalo, hoy ny mpianatra, ary ny fifanarahana efa herintaona no vita sonia aza tsy misy mpiraharaha. Maro amin’ireo mpitondra no mety efa niaina ny iainan’ireo. Fa misy ihany koa no efa zatra niadana tsy mba nizaka ny niainan’ny mpianatry ny anjerimanontolom-panjakana angamba ka minia mikipy, ary ny famoretana na fanagadrana no heveriny fa vahaolana mendrika indrindra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT