Fampianarana

Politeknika Vontovorona Milaza hampiato ny fampianarana ireo « vacataires »


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Nandefa taratasy miantefa amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tSiansa (MESUPRES) ny Komitin’ny « Vacataires »

na ireo mpampianatra tsy raikitra eo anivon’ny Sekoly ambony Politeknika anatin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nampahafantatra ny hirosoany amin’ny fampiatoana ny fampianarana manomboka rahampitso 09 may 2023, raha raha tsy misy ny fandoavana ny tambin’ny asan’izy rehetra nanomboka ny 2018 hatramin'io andro io. Antony ny fitakiana ny fandoavana ara-drariny ny valin-kasasarana na ny “”vacations””. Takian’izy ireo fandoavana mantsy ny “vacations” rehetra nanomboka ny taom-mpianarana 2018-2019 (75%) ka hatramin'izao taom-pianarana izao. Nanamarika fa miasa maina ary miala vola am- paosy ireo “vacataires” manao ny asa fampianarana ary miezaka hampandeha izany. Mangataka ny handoavana isan'enimbolana ny « vacations » rehefa vita ny anjara fampianarana tokony natao. Faharoa ny fangatahana fangaraharan'ny fahazoan-dalana ho mpiasa raikitra na ny “recrutement”, tokony hatao mazava ny rafitra na « critères de recrutement »mba tsy hahatonga resa-be sy fanontaniana amin'ny maha tafiditra ny olona iray. Misy ireo izay hita fa tsy ara-drariny ny mbola maha-«< vacataires » azy manoloana ireo hafa efa voaray ho mpiasa raikitra, raha ny fanazavana… Tokony mba hisy solontena avy eny amin'ny Sekoly ao anatin'ny Kaomisionina mba hahamora ny fampandrenesana ny mombamomba ny “recrutement” ho avy; atao mazava tsara ny lalan'ny antontan-taratasy amin'ny fifantenana ny mpampianatrampikaroka ho raisina,… Mangataka ny hisian’ny sata mazava mifehy ny “vacataires” ihany koa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT