Fampianarana

“Pôle Stage Madagascar” Fanohanana ireo mpianatra hiditra amin’ny sehatry ny asa


  • Zoma 12 Martsa 2021

Tontosa omaly tetsy amin’ny Le Centell Antanimena ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharan’asa “Pôle Stage Madagascar”:

 

 

  Tambazotra novolavolain’ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) izy ity ary iarahany miasa amin’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana ary koa ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanana Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy. Ny fandaharan’asa “Pôle Stage Madagascar” dia tambazotra iray natokana ho an’ireo tanora mpianatra izay hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ary hanatanteraka ny fizaran-draharaha arak’asa na ny “stage professionnel”. Dingana iray mizotra makany amin’ny tontolon’ny fandraharahana lalovan’ny mpianatra rehetra ny fizaran-draharaha arak’asa ahafahany mamantatra lalina kokoa ny mikasika ny firafitry ny orinasa iray. Ny “Pôle Stage Madagascar” ihany koa dia fitaovana iray entina hanampiana ireo mpianatra hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa sy manamora ny fifandraisan’ny tolotra sy ny tinady manodidina ny fizaran-draharaha arak’asa eo amin’ny orinasa sy ireo mpianatra ary mitondra fanatsarana eo amin’ny fananan’asa. “Ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana dia mandray anjara feno ao anatin’ny fametrahana ny “Pôle Stage Madagascar” ary andraikitry ny minisitera ny manentanana ary manetsika ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina hanome tànana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana”, hoy ny Minisitra Rakotomalala Lantosoa. Nomarihina tamin’ny fanaovan-tsonia fifanarahina teo amin’ny telo tonta ny fanolorana ity “Pôle Stage Madagascar” ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT