Fampianarana

Paul Rabary “Tsy maintsy averina ny fifampatokisana”


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Taorian’ilay tsaho niely momba ny fisiana andian’olona manao vaksinina pesta ny mpianatra mandeha mitety sekoly teto an-drenivohitra ny alakamisy lasa teo dia namory avy hatrany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra isan-tsekoly ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, omaly maraina.

 

 Tamin’ny alalan’ny talen-tsekoly no nanatontosany izany ka nampitana hafatra tamin’ireo ray aman-dreny fa ilaina averina maika ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta hahafahana mampandeha araka ny tokony ho izy ny asa fanabeazana. Any am-pianarana no azo antoka kokoa ny fiarovana ny ankizy mpianatra, hoy ny minisitra Paul Rabary. Ny mpanabe no tena mikarakara sy mandray an-tanana ny ankizy. Tsy nanery azy ireo handefa ny zanany hianatra avy hatrany ny minisitera. Tsotra ny fepetra raisina ho an’ireo talen-tsekoly sasany mba tsy hisy fiantraikany eo amin’ny sain’ny ankizy ireny zava-nitranga ireny ka hanaratsy ny voka-panadinana. Ezahin’izy ireo hatrany ny hanakaiky ny mpianatra ary hiantso ny mpitandro ny filaminana raha toa ka misy ny trangan-javatra mampiahiahy.  Tsy maintsy vitaina araka ny tokony ho izy ihany koa ny fandaharam-pianarana izay mety hisy fiakarana andro sabotsy ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana mba hahazoana vokatra tsara.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT