Fampianarana

Paul Rabary « Aleo hihemotra ny fanadinana ara-panjakana”


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Nitondra soson-kevitra ny ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, fa tokony hihemotra ireo fanadinana ara-panjakana amin` ity taom-pampianarana ity.

 

 

 

Nanamafy izy fa fotoana izao hikarohana fepetra entina hisorohana ny taona fotsy. Fomba iray dia ny fanemorana ireo fanadinana maro samihafa. “Ray aman-dreny sy mpianatra amin` izao dia miahiahy mahakasika izany. Tsy misy hatreto no afaka mamaritra ny fotoana hamaranana ny fihibohana ka ilaina no mampitony azy ireo. Ny fanemorana ireo fanadianana no vahaolana tsara indrindra” hoy ity minisitra teo aloha ity. Ankatoaviny kosa ireo fepetra noraisin` ny minsteran` ny fanabeazam-pirenena amin` izao. “Hevitra tsara ireo fandaharana manokana momba ny fampianarana alefa amin` ny haino aman-jery. Mila kosa paikady ahafahan` ireo ankizy mifehy ity fomba fampianarana vaovao ity mba hisy ny fanohizana ny fampianarana. Tsy afaka manolo ny fampianarana an-dakilasy mantsy ny lesona amin` ny haino aman-jery ka mila mikaroka fepetra ho amin` ny fidirana manokana”hoy ihany izy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT