Oniversity FJKM Ravelojaona

Notokanana ny toeram-pianarana vaovao


  • Talata 30 Janoary 2024

Notokanana omaly tetsy amin’ny OniFRa na Oniversity FJKM Ravelojaona

etsy Ampandrana ny toeram-pianarana vaovao ahitana efitra iray natokana ho fandraisam-peo na “studio” ho an’ny sampana Fifandraisana sy haino vaky jery na “Mention Communication & Multimédia” eo anivon’ity oniversite miankina amin’ny finoana ity. An-dalana, hoy ny fanazavana, ny fametrahana ireo fitaovana samihafa. Ampahatsiahivina fa ivelan’ireo fampianarana am-bava sy an-tsoratra dia misy koa ny fampiharana izany ho an’ireo mpianatra mpikaroka eto anivon’ny oniversite. Heverina, noho izany, fa hanampy ireo mpianatra amin’ny fianarany no sady hanampy azy ireo amin’ny fiomanany ho any amin’ny tontolon’ny asa ihany koa no fahazoana ireo fitaovana sy toeram-pianarana vaovao ireo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT