Oniversiten’i Vakinankaratra

Tetikasam-pikarohana miisa 15 nampirantiana


  • Zoma 16 Mey 2025

Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,

izay natao tao amin’ny ivontoerana I-Votika, raha ny fampitam-baovao voaray. Andiany faha 5 io, hoy ny fanazavàna. Anton’ny hetsika ny fanomezan-danja ireo karazam-piofanana sy ho fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny tontolo akademika sy ny sehatra maha matihanina. Ny sampana na «mention» «Automatisme et informatique», izany hoe, ny hakingana sy fikirakirana izay informatika izay, ny lalam-piofanana na «Parcours» «Automatisme industriel et Génie Logiciel», izany hoe, ny fikirakirana tekinolojia amin’ny indostria no tena nasongadina tao anatin’izany. Fotoana io nahafahan’ireo mpianatra mpikaroka nampiranty ny voka-pikarohany nandritry ny taom-pianarana. Miisa 15 moa ireo tetikasam-pikarohana nampirantiana. Ankoatran’izay dia maro ireo fifampizaràna traikefa sy fahaiza-manao niarahana tamina mpitantana orinasa samihafa. Nahafahana nanokatra lalana hizoran’ireo mpianatra mpikaroka ho anya mina hoavy tsaratsara kokoa izany, raha ny fanazavàna sy fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT