Fampianarana

Oniversiten’i Toliara Norarafana lakrimozenina ireo mpianatra nidina an-dalambe


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Mpianatra maromaro tao amin’ny oniversiten’i Maninday Toliara no voalaza fa nisy dahalo nanafika ny sabotsy hariva teo.

 

 

  Lasa daholo ny fananan'ny mpianatra, toy ny solosaina, vola, fitafiana, fanaka, lovia sy vilany ... Nisy mpianatra voafira famaky ka naiditra ao amin’ny hopitalibe manaraka fitsaboana haingana, raha ny vaovao azo. Noho izany dia tezitra ireo mpianatra rehetra ao nanao fihetsiketsehana goavana ny faran’ny herinandro teo. nitokona naneho ny alahelony sy ho firaisankina ary mikatsaka mafy ireo nahavanon-doza. Eo ihany koa ny fiandrasana ireo tompon'andraikitra eny amin’ny oniversite sy ny mpitandro ny filaminana. Nisy ny fidinana an-dalambe omaly alahady. Niditra an-tsehatra nandrava ny hetsika ny mpitandro filaminana ka nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso omaly. Mafampana ny toe-draharaha ao amin’ny oniversiten’i Maninday ao Toliara. Andrasana izay ho fivoaran’ny raharaha amin’izao fiandohan’ny herinandro izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT