Fampianarana

Oniversiten’i Maninday-Toliara Nitohy ny grevy, nirefodrefotra ny lakrimozenina


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Nitohy ny grevy tany Maninday ary niha nangotraka ny grevin’ny mpianatra tao Maninday Toliara. Tao anatin’ny telo andro nisesy, tsy niato,

ary vao mainka niha nahery vaika ny hetsiky ny mpianatry ny Oniversiten’I Maninday any Toliara noho ny antony maro: fitakiana ny fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ireo nanao “reclamation” manodidina izay tsy nivoaka hatramin’izao, fandoavana manontolo ny fampitaovana ho an’izay mbola tsy nandray, fandoavana manontolo ny ambina vatsim-pianarana, fankatoavana ny na “validation” ho an’ny diplaoma “master”, fanamboarana ny toeram-ponenana simba dia ny bloc 42 sy 43,… Nidina an-dalàmbe nanakan-dàlana indray ireo mpianatra omaly, raikitra ny fandorana kodiarana! Niditra an-tsehatra nanaparitaka izany tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso kosa ny mpitandro filaminana mba handravana ny gravy. Ny talata teo, voalaza fa tokony hisy ny fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitra saingy voalaza fa tsy tanteraka. Naneho ny tsy fahaliany ireo mpianatra ny talata hariva, ka nidina an-dalambe nandoro kodiarana ary nitohy. Nanamafy izy ireo omaly, fa tsy hijanona, raha tsy mahazo valiny mahafa-po. Tantara mitohy noho izany ny ao Maninday satria na nisy aza ny fampanantenana, mbola am-bava fotsiny izany hatreto. Mbola ny lakrimozenina aloha hatreto no vahaolana tonga sy hita maso!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT