Oniversiten’i Maninday Toliara

Nigrevy andro fety noho ny olan'ny rano sy vatsim-pianarana


  • Talata 22 Aprily 2025

Tsy misy andro fety fa dia nitroatra ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday Toliara

omaly alatsinain'ny paska 21 aprily 2025, manoloana ny ambaran'izy ireo fa tsy fisian-jiro sy ny tsy fahazoana vatsim-pianarana. 5 andro ny fahatapahan-jiro tsy an-kijanona tao amin’ny Campus nandritra, ankoatra ny filazan'ny mpianatra fa tara ny fizarana vatsim-pianarana sy fampitaovana na "équipement", efa ho enim-bolana izao. Nanao hetsika am-pilaminana izy ireo omaly: nanakatona ny franchise universitaire, nitondra sora-baventy, ary nandoro kodiana, ho fanehoana ny tsy fandeferan’izy ireo intsony amin’ny ambarany fa tsy firaharahiana. 24 ora monja no omena ny tomponandraikitra mba hamerenana ny jiro ao amin’ny Campus sy hamoahana avy hatrany ny vatsim-pianarana sy fampitaovana 5 volana tsy mbola azo. Raha tsy tanteraka izany dia mitohy ary hihamafy ny hetsika, hoy ireo mpianatra. Nitaraina ho tsy omena lanja, ka mahatsiaro ho very zo sy tsy voakarakara, raha oharina amin’ny mpianatra amin’ny Oniversite hafa izy ireo Nanao antso avo amin’ny fanjakana, mba hijery sy hamaha haingana ity toe-javatra mampitaraina ity. Raha hiverenana, natomboka ny 07 aprily 2025 tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo ao Vontovorona (ESPA) ny fizarana ny vatsim-pianarana telo volana miampy fampitaovana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nandritra io no nilazan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, fa nisy fandaminana vaovao nampiharina tamin’ny fikarakarana ny famoahana ny vatsim-pianarana ka nokirakiraina isaka ny oniversite ny antontan-taratasy. Andrasana ny tohiny !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT