Fampianarana

Oniversiten’i Maninday ao Toliara Misy manararaotra ara-nofo ireo mpianatra vehivavy


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Mirongatra ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny ankizivavy sy ny tanora zazavavy eto amintsika.

Nahenoana izany tranga izany indray ny eo anivon’ny oniversite-n'i Maninday Toliara ao amin’ny sampana lalàna. Araka ny loharanom-baovao azo dia misy mpampianatra lalàna mitaky firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra ao amin’ity oniversite iray ity raha te-hahazo naoty tsara ireo mpianatra vehivavy. Azo lazaina ho manana ny maha-izy azy io mpampianatra io raha ny fahalalana hananany. Sady mitazona ny mpianatra ao amin’ny taona voalohany mantsy izy no mitazona mpianatra ao amin’ny taona fahatelo ihany koa. Mahafehy lalam-piofanana maro ihany koa izy ka afaka mandresy lahatra mpianatra tsara. Efa misy moa ny fanadihadiana mikasika io tranga io hataon’ny transparency International any Toliara amin’izao fotoana izao, indrindra fa ao amin'ny sampana lalana. Raha araka ny fantatra moa dia efa tratra nitondra mpianatra tany amin'ny chambre tao anatin'ny fotoana fitsarana fanadinana ity mpampianatra iray ity. Vao mainka niitatra ihany koa ny raharaha satria tonga tany am-poto-tsofin’ilay tovolahy sakaizan’io tovovavy lasibatra io ny feo ka milaza ny hitory iretsy voalohany sy ny fianakaviany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT