Fampianarana

Oniversiten’i Mahajanga Mitaky vatsim-pianarana 6 volana ny mpianatra


  • Talata 22 Martsa 2022

Raikitra ihany koa ny grevin’ny mpianatra tany amin’ny Oniversiten’i Mahajanga omaly, taorian’ny tao amin’ny Politeknika Vontovorona sy ny teny Ankatso.

 Mitaky ny famoahan’ny Fanjakana ny vatsim-pianarana 6 volana miampy fampitaovana ireo mpianatra. Nivoaka ny faritry ny oniversite, ka naneho fihetsika mahery vaika tamin’ny alalan’ny fandoroana kodiarana sy fanakanan-dàlana. Milaza moa ireo mpianatra fa efa enim-bolana izay no nianatra, kanefa hatramin’izao mbola tsy azo ihany vatsim-pianarana. Mitaraina noho ny rano tsy mandeha efa tapa-bolana. Niantrana teny amin’ny manodidina ny oniversite kosa ny mpitandro ny filaminana, saingy nilamindamin-dratsy ihany ny raharaha. Efa tonga any amin’ny oniversiten’i Mahajanga ny karatra E-poketra ahafahana misitraka ny vatsim-pianarana, raha ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny komity vonjimaika miantsoroka izany ao amin’ity oniversite ity. Omaly hariva na androany no fotoana nomena hanombohan’ny fizarana karatra E-poketra, ka nambara fa raha vao vantany voazara ny tratra, dia afaka mandeha ny dingana fampandehanana na “activation” ho azy. Raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitry ny Minisiteran’ny fampianarana ambony ny sabotsy lasa teo kosa, dia tsy maintsy arahina sy tanterahina an-tsakany sy an-davany ny dingana izay somary lavalava, saingy tsy tokony hanana ahiahy ny mpianatra satria efa tonga ao ny vola. Herinandro izay no nanaovana ny « activation » an’ny karatra E-poketra, 30% eo ihany anefa no nanao sy vita noho ny tsy fahafahan’ny mpianatra, izay mbola manaraka ny fampianarana ihany koa. Aorian’ny fisoratana anarana, anjaran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony ny fanaraha-maso sy fanamarinana ny « base de données », fa tsy afaka manova. Rehefa vita fanamarinana dia haverina any amin’ny Oniversite, avy eo handefasana ny fangatahana “autorisation d’engagement” makany amin’ny Fiadidian’ny Repoblika amin’ny alalan’ny UGD (Unité de Gouvernance Digitale),… vao mamoaka tetiandro hahazoana ny vatsim-pianarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT