Fampianarana

Oniversiten’i Fianarantsoa Vaovao tsy marina no nitarika fifandonan’ny samy mpianatra


  • Alarobia 24 Mey 2023

Vaovao tsy marina no nitarika ny fifandonana teo amin’ny samy mpianatry ny oniversite dia ny mpianatry ny faritr’i Menabe sy Atsimo atsinanana ny 19 may teo,

hoy ny fanazavana nentin’ny fitantanana ny oniversiten’i Fianarantsoa omaly. Efa niezaka nampifanatona ireo mpianatra ny oniversite, hoy ny fanazavan’ny talen’ny serasera. Efa nisy koa ny fandraisana an-tanana ireo tra-pahavoazana ka efa milamina tanteraka ny oniversite ary miroso amin’ny tapa-taona faharoa amin’ny fampianarana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanomboka ny 12 may teo moa, raha tsiahivina, no nisy sary niparitaka mikasika ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa am-polony avy any amin’ny faritanin’i Mahajanga voalaza fa natory teo an-tokontanin’ny COUM Fianarantsoa ny alin’ny 11 may ary voaroakan’ny fikambanana ZAMAMI sy nesorina tany amin’ireo trano fonenany teny Andrainjato. Voalaza fa nisy olana tamin’ny mpitarika ity fikambanan’ny mpianatra avy any Mahajanga ity ireto mpianatra ireto ary nesorina sy noroahana tamin’ny trano fonenany. Niantso ny mpitantana ny Oniversite izy ireo handray ny andraikiny manoloana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT