Fampianarana

Oniversiten’i Fianarantsoa Tapitra ny grevy, miverina amin’ny asany ny PAT


  • Talata 16 Novambra 2021

Namoaka fanambarana ny sendikan’ny PAT (Personnel Administratif et Technique) ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, fa nivaha tamin’ny ampahany ny fitakian’izy ka miverina amin’ny laoniny ny asa aman-draharaha

 rehetra manomboka izao. Volana maro no nitokonana sy nitakiana ny tombotsoa izay efa nositrahana taona maro, kanefa notsoahina sy notapahana tsy nisy fifampiresahana. Noho io antony io, nikatso tanteraka ny fampiodinan-daharaha tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Tsy nitsahatra kosa anefa na izany aza ny nitady vahaolana tamin’ireo tompon’andraikitra voalohany tao an-toerana, ireo raiamandreny ara-panjakana,… ary isan’ny tena zava-dehibe ny fihaonana mivantana tamin’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo PAT ny 09 novambra teo. “Vokatr’izany, voavaha amin’ny ampahany ny fitakianay, ka miangavy izahay mba hisitraka faran’izay haingana io didim-panjakana ary miandry am-pitoniana izany”, hoy ireo mpandraharahan’ny Oniversite. Nanambara noho izany ireto mpiasan’ny Oniversiten’I Fianarantsoa ireto fa miverina miasa, ary miantsoroka ny andraikitra izay ataony ny mpandraharaha tsirairay. Naneho fisaorana ho an’ny Filoha, Praiminisitra, minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Filohan’ny oniversiten’I Fianarantsoa, ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra (SECES), ny sampan-draharaha rehetra ao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa, ny mpandraharaha rehetra,…izy ireo, ary manantena fa handeha an-tsakany sy andavany ny fanatanterahana ny tokony nomena azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT