Fampianarana

Oniversiten’i Fianarantsoa Niakatra ny daozin’ny grevy


  • Zoma 17 Septambra 2021

Nangotraka indray ny grevy tao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa omaly alakamisy 16 septambra 2021. Niverina nitokona ireo mpandraharaha eo anivon’ny anjerimanontolo na ny PAT (Personnel Administratif et Technique)

satria leo sy tofoka amin’ny fampanantenana poakatin’ny Fanjakana. Tena naneho ny hatezerany ara-bakiteny, ka raikitra ny fidinana an-dalambe, fanakanan-dàlana sy fandorana zavatra. Isan’ny lasibatra ny fiara iray izay voalaza fa efa simba, izay nodoran’ireo mpitokona teo afovoan-dàlana. Mikatona tanteraka ny oniversiten’i Fianarantsoa, ary manome fe-potoana 24 ora ny Fanjakana izy ireo hamahana ny olana, raha tsy izany vao mainka hangotraka ny fitakiana. Nilaza ireo mpandraharaha fa efa am-bolana maro no niandry ny fahendren’ny mpitondra, ka efa diso tafahoatra loatra ny tsy firaharahiana, hoy izy ireo. Niandry tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo izy ireo ny mba hisiana fanapahan-kevitra hamahana ny olana toy ny “indemnité de technicité” tsy azo an-taonany maro, izay nandrandrain’izy ireo ny hivoahan’ny didy fampiharana na “décret d’application”, saingy tsy nisy an’izany tao. Raha somary nilamindamina ny hetsika teo aloha, dia tena nahariharin’ireo PAT ny tsy fahafaliany. Tsy vao izao rahateo ny grevin’ny PAT, ary tsy tany Fianarantsoa irery fa efa nisy ny teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny tany Toamasina talohan’ny bakalorea,… Maro ny antony, ankoatra ny “indemnité de technicité” satria tsy mahafaly azy ireo ihany koa ny ambarany fa fampihenana 25% tamin’ny karama, raha fiakarana 20% no nandrandrainy. Efa volana maro ny fitakianna, saingy miandry grevy hatrany vao taitra ny manam-pahefana. Ny 26 jolay 2021, ohatra, dia efa nangotraka ny grevy tao Andrainjato. Nosakanan’izy ireo ny làlana miditra ao amin’ny anjerimanontolo, nafotaka ny fandrehetana kodiarana, tsy nisy ny fiandrasan-draharaha na ny “service minimum”,… saingy tsy nahataitra ny Fitondrana matoa mbola mitohy ny fitakiana. Nitaky hatrany ny fandoavana ny karaman’izy ireo “arriérés” izany hoe karama mitambatambatra tsy voalohan’ny Fanjakana izy ireo, ankoatra ireo “indemnité” maro samihafa. Tany aloha, dia fialana balan’ny fitondrana ny fanadiovana amin’ny alalan’ny “digitalisation” saingy mbola io maro io ny olana taorian’ny fahavitan’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT