Fampianarana

Oniversiten’i Farafangana Hiverina hisokatra indray telo taona aty aoriana


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Hisokatra indray ny oniversiten’ny Faritra Atsimo Atsinanana ao Farafangana rehefa nikatona nandritra ny telo taona.

 Efa nahazo fahazahoan-dalana avy amin'ny Filohan'ny oniversiten’i Fianarantsoa ny fisokafany indray. Ny sosiôlôjia izay « filière » efa nisy teo aloha ihany no mbola tazonina amin’izao fisokafana izao indray. Eo ampamolavolana ny hanampiana « filière » hafa izay mifanaraka amin'ny filan'ny zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana amin'ny taona manaraka, ahafahany miatrika asa avy hatrany rehefa vita ny fianarana eny amin'ny Anjerimanontolo. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny oniversite Atsimo Atsinanana, Zafindrazana Eugène tsy anavahana sokajy sy taona nahazoana bakalôrea ny fidirana fa na bakalôrea ankapobeny na teknika na tamin'ny taona firy na tamin'ny taona firy, na izay mbola ho afaka bakalorea amin'ity taona 2020 ity ka vonona hanohy fianarana dia horaisina amin’izao fisokafana izao indray. Hanomboka amin’ny 2 novambra izao ny fisoratana anarana. Volan'ny Faritra madiodio no nenti-nanana ny fanamboarana sy ny fanarenana ity oniversite ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT