Fampianarana

Oniversiten’i Barikadimy Toamasina Naverina ny fanisana ireo tokony hahazo vatsim-pianarana


  • Zoma 26 Febroary 2021

Naverina nanomboka omaly 25 febroary 2021 ary tsy hifarana raha tsy ny 10 martsa izao ny

 

 

 fanisana ireo mpianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’I Toamasina tokony hahazo vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Efa nisy moa ny tetiandro natao hizarana izany izay nivoaka ny herinandro teo fa amin’ity herinandro ity no handeha ny fizarana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra izay efa nahitana fahatarana 4 volana ka nahatonga azy ireo nitokona sy namoy namana tamin’ny herinandro. Ity vatsim-pianarana ity izay voalaza fa efa tonga teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina hatramin’ny volana jolay lasa teo saingy nogiazan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina. Tsy nanaiky io fiampangana io moa ny firaisankinan’ireo mpampianatra ao an-toerana sasany. Manjavozavo tanteraka ny raharaha satria dia voalaza fa isan’ny antony tsy maintsy hamerenana ny fanisana na “rescencement” ny fibontsinan’ny isan’ireo mpianatra voasoratra hahazo vatsy kanefa misy tsy mpianatry ny anjerimanontolo akory. Hita ho miha mikorontana isan-taona hatrany ny toe-draharaha saingy tsy mbola mety manangasanga hatreto ny vahaolana maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT