Fampianarana

Oniversiten’i Barikadimy Miverina eo ambany fiahian’ny OMC ny fampianarana


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Omaly tamin’ny 10 ka hatramin’ny 12 ora atoandro no nivory niaraka tamin’ny

 

 

governoran’ny faritra Atsinanana ireo solontenana voakasiky ny raharaha momba ny oniversite ao an-toerana. Isany ny solontenan’ny fitandroana ny filaminana avy amin’ny OMC ao an-toerana dia ny prefe sy ny FDS, ny filohan’ny oniversiten’I Barikadimy sy ny sojaben’ireo fakiolte miisa 2 voakasiky ny raharaha (FLSH sy DEGMIA), ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy mpanolontsaina tekinika miisa 2, ny ben’ny tananan’I Toamasina, ny solontenan’ireo mpianatra mitokony miisa 4 sy mpianatra mitaky ny fiverenan’ny fampianarana miisa 4 ary ny solontenan’ireo ray aman-dreny mikambana ao amin’ny vovonan’ny fifampiresahana sy fitoniana sosialy eo anivon’ny oniversite. Tapaka tao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, fa miverina eo ambany fiahian’ny OMC ny fampianarana eo anivon’ity oniversite ity. Tsy nahitana fiakarana hatramin’ny taona 2014 ny saram-pisoratana anarana. Efa nanatontosa izany ny 90%n’ireo mpianatra ary te hianatra. Mbola miady ny hidinan’izay saram-pisoratana anarana izay ireo mpianatra manohy fitokonana. Izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanazavana, no anton’ny fanapahan-kevitra. Nomarihina moa fa tsy hisy na izany aza ny fanakanana ireo mbola te hanohy ny fitokonana.

 J. Mirija

Legende: Asa na ho voavaha tanteraka mialohan’ny fiafaran’ny taona ihany na tsia

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT