Oniversiten’Antsiranana

Atsahatra ny fampianarana noho ny fandalovan-dRajoelina…


  • Zoma 24 Mey 2024

Noho ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena dia miato ny fampianarana rehetra

eto anivon’ny Oniversiten’Atsiranana ny alakamisy 23 mey sy ny zoma 24 mey ». Io no voasoratra anaty taratasy misy fitombokase mena miaraka amin’ny anaran’ny Filohan’ny oniversiten’Antsiranana Pr Briand Kall, izay niteraka adihevitra sy fanehoan-kevitra maro. Tena izy sa taratasy nisy nanamboatra avy taty ivelany ? Toa sarotra ny hino fa tsy tena izy, ary efa fomba fanaon’ny mpitondra na ny olom-panjakana ity manao teritery amin’ny tontolon’ny fampianarana ity mba hatao fitaovana ara-politika. Vao omaly no notaterina teto ireo tranga samihafa toy ny any Befandriana Avaratra noho ny fisiana antsojay mahazo ireo mpampianatra, dia ity koa ny any Antsiranana fa atsahatra ny fampianarana satria mandalo ny Filoha. Marina fa mety misy zavatra tokanana toy ny toeram-ponan’ny mpianatra ka atahorana tsy hisy mpanotrona ve i Andry Rajoelina dia ny mpianatra manontolo no hatao sorona tapahana ny fianarany ? Terena ankolaka mba hanatrika an’ingahy Filoham-pirenena izay hita ho manao propagandy ankolaka any amin’izay alehany? Ilàna averina sy tsiahivina isan’andro ve fa voarara ny fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fampianarana, ny tafika, ny fitsarana,… amin’ny politika araka ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT