Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Nangotraka indray ny sakoroka


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Nangotraka indray ny grevy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nisy ireo andiana mpianatra nitarika ny fitokonana noho ny fisian’ny namany mbola tsy nahazo vatsim-pianarana.

 Raikitra ny fanakanan-dàlana nataon’ny mpianatra avy amin’ny Fakiolite miisa 3 dia ny siantsa, ny soratra sy ny siantsa maha olona, ary ny Fitsaboana. Nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny samy mpianatra izay nifamoaka, saingy raikitra ihany ny grevy. Isan’ny tsy nankasitraka loatra tamin’ny grevy ny Sampana toekarena, ka niteraka karazana fifanjevoana teo amin’ny samy mpianatra. Mpianatra iray no voalaza fa naratra mafy sy voatery nalefa notsaboina teny amin’ny Hopitaly. Vao mainka nafana ny grevy, nahery vaika ny tora-bato rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Ho an’ny siantsa manokana dia voalaza fa noho ny lisitry mpisitraka vatsim-pianarana no antony. 100% no nalefa kanefa rehefa niverina dia 41% ihany no afaka nisitraka hatreto, hoy ny fanazavana. Vahaolana ny “digitalisation”, saingy tsy tokony hisy olana intsony. Miantso ny Minisitry ny fampianarana ambony, ny minisitry ny paositra, ny avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika izy ireo hitondra fandaminana, ary zavatra efa tena vita rindra vao tokony ho tonga any amin’ny mpampianatra. Misy mantsy, hoy izy ireo, ny mpianatra no mbola tsy ao anaty lisitry ny mpisitraka vatsim-pianarana, na koa ao anaty lisitra fa mbola tsy nirotsaka ao anatin’ny Karatra E-poketra ny vola. Raha ny fampahafantarana nataon’ny Minisitery Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa niaraka tamin’ny Minisitry ny paositra ny 22 martsa lasa teo, nanomboka ny 25 martsa lasa teo ny fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ny Oniversiten’Antananarivo taorian’ny dingana lava tao anatin’ny “digitalisation”. Hanomboka anio 06 aprily kosa ny any Toamasina sy Mahajanga, raha ny vinaviona tamin’izany. Efa nandeha nialohan’izay kosa ny tao Fianarantsoa, saingy mbola nisy andiana mpianatra nigrevy tany amin’ny roatokon’ny volana marsa tany, izay niisa 800 teo, tara fisoratana anarana, nanana olana ara-bola,… kanefa nanantena hahazo vola niaraka tamin’ny rehetra vao nivoaka ny vatsim-pianarana, hoy ny fanazavana tamin’izany. Nisy indray ny voalaza fa niverina nigrevy omaly. Mety misy toe-javatra tahaka izany eny Ankatso, ankoatra ny olana hafa. Ny Minisitera roa tonta tetsy ankilany, dia efa naneho fa somary lavalava ny dingana kanefa ny 20 janoary hatramin’ny 25 febroary vao nisy Kaomisionin’ny Vatsim-pianarana, ary taorian’izany vao nandefa izany tany amin’ny Minisitera ny Oniversite. Tsy te hahalala izany kosa ny mpianatra, ary mitaky fanafainganana satria ny taom-pianarana rahateo efa lasa lavitra ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT