Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Nampiato fampianarana ny FDSP


  • Talata 01 Aogositra 2023

Namoaka fanambarana manokana omaly ny avy eo anivon’ny Fakiolten’ny lalàna sy siansa momba ny politika na FDSP

eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo fa ho firaisankina amin’ireo mpampianatra an-tselika mbola tsy nandray ny valin-kasasarany hatramin’ny taom-pianarana 2018-2019 sy ireo mpampianatra mpikaroka izay niharan’ny fitsarana tsy ara-drariny nanoloana ny gaboraraka nitranga tamin’ny bakalorea fa hanajanona ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ity fakiolte ity mandritry ny fotoana tsy voafetra. Tsy voahaja, hoy ny fanambarana, ny antsoina hoe “présomption d’innocence” na zon’ny voapanga. Manoloana ny endrika fanambaniana tsotra izao na hoe “mépris” sy fanitsakitsahana ny hasin’ireo mpampianatra mpikaroka sy fampianarana ambony ihany koa no antony hanamafisanay izao fanambaran’ny fivondronan’ny mpampianatra eto anivon’ny FDSP taorian’ny fivoriana natao anio 31 jolay 2023 izao, hoy hatrany ity fanambarana mampilaza ny fampiatoana tanteraka ny fampianarana eny amin’ny FDSP ity.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT