Oniversiten’Antananarivo

Namoaka naoty hiverenan’ny fampianarana


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2025

Namoaka naoty ny Filohan’ny oniversiten’Antananarivo,

fa miverina misokatra ny toeram-pampianarana manomboka anio 06 oktobra 2025, manomboka amin’ny 7ora hatramin’ny 12 ora. Miverina ny asa fandraharahana. Miverina ny amin’ny ampahany ireo asa manodidina ny fampianarana : fanolorana voka-pikarohana Master, fanohanana ny « thèse », fanolora ny voka-pikarohana HDR. Nikatona ny oniversiten’Antananarivo ny herinandro teo noho ny zava-misy mifandraika amin’ny raharaham-pirenena, ny tolona andraisan’ny tanora anjara,… Tafiditra anatin’ny paikady sy politika handemena ny tolona mandeha ve ? Ankoatra io, mety hisy fijerena ve na izany aza ny fanemorana na fandaminana mikasika ny fifaninana hidirana ho taona voalohany toy ny fikarakarana dosie ? Andaniny, ho an’ny ambaratonga faharoa, dia namoaka serasera ny DREN Analamanga fa mbola miato ny fampianarana ho an’ny "primaire sy presco" manomboka anio 6 oktobra 2025 ho an' ireto CISCO voalaza ireto: CISCO Antananarivo renivohitra ; Antananarivo Avaradrano ; Antananarivo Atsimondrano Ambohidratrimo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT