Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Miverina miasa ny mpandraharaha PAT


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Hiverina hiasa manomboka anio alatsinainy 25 oktobra ny mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Technique) eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.

 Nanambara izany ireo PAT ny faran’ny herinandro teo, ary naneho fahafaham-po eo anatrehan’ny fivalian’ny fitakiana. Nivoaka ny karaman’izy ireo roa volana izay notakiana, raha ny loharanom-baovao, ka izay no antony hitsaharan’ny fitokonana. Voalaza fa hisokatra manomboka anio indray ny vavahadin’ny oniversite, ary efa naneho ny hiverenan’ny fampianarana avy hatrany ny ankamaroan’ireo Sampam-pianarana sy departemanta manomboka anio alatsinainy. Raha hiverenana, dia nanomboka ny 4 oktobra hatramin’ny 11 novambra no nambara, fa fidirana ofisialy eny anivon’ny Oniversitem-panjakana. Ny 18 oktobra teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa izany. Hilamina hatreo ve ny grevy sy ny fitokonana samihafa taorian’ny fandaminana sy ny fitokonana lavareny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT