Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Mitokona ny SECES


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Tapaka omaly taorian’ny fivoriamben’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, sampana Antananarivo, fa raikitra ny fitokonana izay tsy hitsahatra raha tsy misy vahaolana.

 

 

Taorian’ny fanomezana 72 ora sy ny fitsinjovana ny bakalorea izay nanomezana 15 andro indray ny fitondram-panjakana, hoy ny filoha lefitra nasionalin’ny Seces Tana, Faliharivony Randriamialinoro, dia tsy nisy ny vahaolana hatreto. Tsy tanjona ny fitokonana saingy efa marary ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny fametrahana amin’ny toerany ireo no mahatonga anay hiroso tsy fidiny amin’ny fitokonana. Fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy izao, hoy izy ireo. Ny volana aprily no nitsahatra ny fitokonana ary nisy zavatra miisa 7 tapaka teny amin’ny primatiora tamin’izay dia ny resaka “reclassement”, ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mpikaroka retirety na “indemnité de recherché et d’investigation”, ny fijerena ireo mangataka “maintien en activité” na “derogation special”. Ankoatr’ireo dia nisy ny fangatahana fanatanterahana lalàna sy didim-panjakana ambony manavao ny fiainan’ny anjerimanontolo. Ao koa ny saran’ireo ora fanampiny 2016 – 2017 izay ny eto Antananarivo sisa tsy nahazo ny anjarany. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana, hoy izy ireo, ary efa nampahafantarina ireo laharam-pahamehana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT