Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Mitaky ny karamany sy ireo tombotsoany ny PAT


  • Talata 05 Aprily 2022

Niditra tamin’ny fitokonana, ka nanakan-dàlana ny mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Technique) eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly.

Nidina an-dalambe, nanao sakana, nandoro zavatra teo afovoan-dàlana mba hanehoana ny tsy fahafaliana. Anton’izany moa ny fitakiana karama sy ireo tombotsoa samihafa. Milaza ny PAT fa mbola tsy voaray ny karama volana martsa, raha toa ka eo amin’ny faha-25 andro amin’ny volana itsahina no fandoavana izany, saingy voalaza fa lasa ny faha-28 hatramin’ny faha-3 amin’ny volana aorian’iny no mandray karama. Efa 04 aprily anefa omaly, saingy mbola tsy nahazo ny karamany izy ireo, ary mitaky hatrany ny « indemnnité de technicité » tamin’ny volana novamdra sy desambra 2021. Saika nikatona avokoa ny ankamaroan’ireo birao sy sampan-draharaha teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT